Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
Toko voalohany
1 Paoly, Apostolin'i Jesoa-Kristy, araka ny didin'Andriamanitra Mpamonjy antsika, sy Jesoa-Kristy fanantenantsika,2 mamangy an'i Timote, tena zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Tompontsika! 12 Misaotra ny Kristy Jesoa Tompontsika izay nankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,
13 dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tsy fahalalana no nanaovako izany, noho izaho tsy mbola nanam-pinoana; 14 fa nony nomban'ny finoana amim-pitiavana izay ao amin'ny Kristy Jesoa, dia nihoa-pampana ny fahasoavan'ny Tompontsika.